Mark 13:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mitandrema ianareo; fa hatolotra amin’ny Sinedriona sy hokapohina any amin’ny sinagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tandremo koa ny amin’ny tenanareo, fa hotorìna amin’ny mpitsara ianareo, sy hokapohina ao amin’ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny Amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.
Malagasy Bible 1865
Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mitandrema ianareo; fa hatolotra amin’ny Sinedriona* sy hokapohina any amin’ny sinagoga* ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona aminy.
malagasy
Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.