Mark 14:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: «Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska?
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao?
malagasy
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?