Mark 14:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nipetraka nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy, dia izay miara-mihinana Amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy i Jesoa: «Lazaiko marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nipetraka hihinana izy rehetra, ka iny teo am-pisakafoana iny dia hoy i Jesoa: –Lazaiko marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo; dia ilay miara-mihinana amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nipetraka nisakafo izy ireo dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy, dia izay miara-mihinana Amiko.
malagasy
Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.