Mark 14:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny Zanak’Olona dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza no hanjò an’izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy; mampalahelo anefa ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany.
Malagasy Bible 1865
Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny Zanak’Olona* dia mandeha araka izay voasoratra momba Azy, nefa lozan’izay olona hahatonga ny Zanak’Olona ho voatolotra! Tsara ho an’izany olona izany raha tsy teraka akory izy.
malagasy
Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.