Mark 14:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony tany Betania Jesosy ka nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Simona boka dia avy ity vehivavy iray izay nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra nisy narda tena sarobidy; novakiny ny tavoara ka nararany tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka manitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka izy, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana izy. Nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy, ary novakiny ny tavoara, dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tany Betania i Jesoa tamin’izay ary tao an-tranon’i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony tany Betania Jesosy ka nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Simona boka dia avy ity vehivavy iray izay nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra nisy narda tena sarobidy; novakiny ny tavoara ka nararany tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka manitra.
malagasy