Mark 14:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Ary nilaza toy izany koa izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa vao mainka koa nanamafy ny teniny i Petera nanao hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao. Ary dia samy nilaza toy izany avokoa ny mpianatra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa vao mainka nanamafy izy hoe: Na dia tsy maintsy ho faty miaraka Aminao aza aho dia tsy mba handa Anao mihitsy. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra.
malagasy
Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra.