Mark 14:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niverina fanintelony Izy dia niteny taminy hoe: Mbola matory ihany ianareo ka miala sasatra. Ampy izay. Tonga ny fotoanandro; indro ny Zanak’Olona hatolotra eo an-tanan’ny mpanota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra. - Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niverina fanintelony teo amin’izy telo lahy Izy dia nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Ampy izay! Tonga ny fotoanandro: indro efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!
Malagasy Bible 1865
Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niverina fanintelony Izy dia niteny taminy hoe: Mbola matory ihany ianareo ka miala sasatra. Ampy izay. Tonga ny fotoanandro; indro ny Zanak’Olona* hatolotra eo an-tanan’ny mpanota.
malagasy
Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.