Mark 14:53 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nentina tao an-tranon’ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalàna.
Malagasy Bible 1865
Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna*.
malagasy
Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.