Mark 14:60 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana ny Mpisoronabe ka nankeo afovoany nanontany an’i Jesosy hoe: Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona, ka nanontany an’i Jesoa hoe: «Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsangana nankeo afovoan’ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an’i Jesoa hoe: –Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan’ireo Anao?
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana ny Mpisoronabe* ka nankeo afovoany nanontany an’i Jesosy hoe: Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao?
malagasy
Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?