Mark 14:65 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanomboka nandrora Azy ny sasany dia nanarona ny tavany sady namely tehamaina Azy ka niteny hoe: Maminania! Ary namely Azy tamin’ny tehamaina koa ireo mpiandry raharaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany, sy namely totohondry Azy ary nanao hoe: «Vinanio»; ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny olona teo dia nisy sasany nandrora an’i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry Azy sady nanao taminy hoe: –Vinanio hoe! Dia nalain’ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian’ireo tahamaina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanomboka nandrora Azy ny sasany dia nanarona ny tavany sady namely tehamaina Azy ka niteny hoe: Maminania! Ary namely Azy tamin’ny tehamaina koa ireo mpiandry raharaha.
malagasy
Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.[Na. tehina]