Mark 14:69 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahita azy ilay ankizivavy ka namerina niteny tamin’ireo izay nanatrika teo fa io lehilahy io dia naman-dry zareo ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tamin’izay teo hoe: «Naman’ireny koa io lehilahy io,»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nahatazana an’i Petera ilay vehivavy mpiasa, ka nilazany indray ny olona teo hoe: –Anisan’ireny koa io rangahy io!
Malagasy Bible 1865
Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahita azy ilay ankizivavy ka namerina niteny tamin’ireo izay nanatrika teo fa io lehilahy io dia naman-dry zareo ireo.
malagasy
Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin'izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman'ireny;