Mark 14:72 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary tsaroan’i Petera ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany dia handa Ahy intelo ianao. Dia niala teo izy sady nigogogogo nitomany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe: «Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao»; ka dia nitomany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan’i Petera ilay tenin’i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: «Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia nigogogogo nitomany i Petera.
Malagasy Bible 1865
Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary tsaroan’i Petera ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany dia handa Ahy intelo ianao. Dia niala teo izy sady nigogogogo nitomany.
malagasy