Mark 14:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nanao izay azony natao izy: Nanosotra mialoha ny tenako izy hanamboarany Ahy halevina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenana Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina.
Malagasy Bible 1865
Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nanao izay azony natao izy: Nanosotra mialoha ny tenako izy hanamboarany Ahy halevina.
malagasy
Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.