Mark 15:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha vao maraina ny andro, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ary mpanoradalàna mbamin’ny Sinedriona manontolo, dia nivory niara-nihevitra, koa rehefa avy namatotra an’i Jesosy izy dia nitondra Azy ka nanolotra Azy tamin’i Pilato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin’ny loholona sy ny mpahay lalàna, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an’i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato.
Malagasy Bible 1865
Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin 'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha vao maraina ny andro, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ary mpanoradalàna* mbamin’ny Sinedriona* manontolo, dia nivory niara-nihevitra, koa rehefa avy namatotra an’i Jesosy izy dia nitondra Azy ka nanolotra Azy tamin’i Pilato.
malagasy
Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato.[Na: dia]