Mark 15:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa avy nanao Azy ho fihomehezana izy ireo dia nesoriny Taminy ilay lamba volomparasy ka nampitafiany Azy indray ny akanjony. Dia noentin’ireo hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany. Nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa avy nanao Azy ho fihomehezana izy ireo dia nesoriny Taminy ilay lamba volomparasy ka nampitafiany Azy indray ny akanjony. Dia noentin’ireo hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy.
malagasy
Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin'ny hazo fijaliana Izy.