Mark 15:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ny Kristy, Mpanjakan’ny Israely, hidina hiala teo amin’ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika! Ary ireo izay niaraka nohomboina Taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka i Kristy mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.» Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ilay Mesia, Mpanjakan’i Israely, hidina avy eo amin’ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika! Dia naneso an’i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.
Malagasy Bible 1865
Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ny Kristy*, Mpanjakan’ny Israely, hidina hiala teo amin’ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika! Ary ireo izay niaraka nohomboina Taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy koa.
malagasy
Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.