Mark 15:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nividy lamba i Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nividy lamba sarobidy i Jôsefa, ary nampidininy avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin’ny vavafasana.
Malagasy Bible 1865
Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy.
malagasy
Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin'i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy.Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.