Mark 16:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny iraika amby folo lahy Jesosy, raha nipetraka nisakafo izy ireo; ary nanome tsiny azy ireo Izy noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino ireo izay nahita Azy efa tafatsangana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny iraika amby folo lahy Jesosy, raha nipetraka nisakafo izy ireo; ary nanome tsiny azy ireo Izy noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino ireo izay nahita Azy efa tafatsangana izy.
malagasy
[Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy]