Mark 2:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana izy ka nibata ny fandrianany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsangana ilay malemy ka nibata ny fandriany avy hatrany ary lasa nandeha teo imason’ny olona rehetra. Dia talanjona avokoa izay rehetra teo ka nanome voninahitra an’Andriamanitra sady vaky vava hoe: –Tsy mbola nahita zavatra toy izao na oviana na oviana isika!
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana izy ka nibata ny fandrianany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
malagasy