Mark 2:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teny am-pandehanana Izy dia nahita an’i Levy, zanak’i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; koa hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe: «Andeha hanaraka Ahy.» Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nandalo i Jesoa, dia nahita an’i Levỳ zanakalahin’i Halfeo nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra ary hoy i Jesoa taminy: –Avia hiaraka amiko! Dia nitsangana i Levỳ ka nandeha niaraka taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teny am-pandehanana Izy dia nahita an’i Levy, zanak’i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; koa hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
malagasy
Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.[Izahao Mat. 9.9]