Mark 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Levy Izy dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nisakafo tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany, satria maro izy ireo no nanaraka Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy Poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany; fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Levỳ i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany; fa maro ireo karazan’olona ireo no fatra-panaraka Azy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nipetraka nisakafo tao an-tranon’i Levy Izy dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nisakafo tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany, satria maro izy ireo no nanaraka Azy.
malagasy
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.