Mark 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanoradalàna, izay isan’ny Fariseo, raha nahita Azy niara-nipetraka nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny Poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nahita an’i Jesoa niara-nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra ireo mpahay lalàna anisan’ny antokom-pivavahana Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ve Izy io?
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanoradalàna*, izay isan’ny Fariseo*, raha nahita Azy niara-nipetraka nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
malagasy
Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy![Na:Ary ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo]