Mark 2:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany fotoana izany dia nifady hanina ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo. Dia avy izy ireo ka niteny tamin’i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina fa ny mpianatrao kosa dia tsy mba mifady?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: «Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifady hanina ny mpianatr ’i Jôhany Mpanao batisa sy ny Farisianina tamin’izay; ka nisy olona tonga teo amin’i Jesoa hanontany Azy hoe: –Nahoana ny mpianatr’i Jôhany sy ny mpianatry ny Farisianina no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany fotoana izany dia nifady hanina ny mpianatr’i Jaona sy ny Fariseo*. Dia avy izy ireo ka niteny tamin’i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina fa ny mpianatrao kosa dia tsy mba mifady?
malagasy
Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?