Mark 2:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy olona manjaitra tapa-damba vaovao izay mbola tsy voasasa, amin’ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina, dia handrovitra ny tonta ka hiitatra ny rovitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny triatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany, dia handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba vaovao izay natampina, ary dia mainka koa hitatra ny rovitra.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy olona manjaitra tapa-damba vaovao izay mbola tsy voasasa, amin’ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina, dia handrovitra ny tonta ka hiitatra ny rovitra.
malagasy
Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.