Mark 2:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, kanefa io mofo io dia mahadiso raha misy homana azy, afa-tsy ny mpisorona; ary nomeny koa izay nanaraka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niditra tao an-tranon’Andriamanitra i Davida tamin’ny andron’i Abiatara mpisorombe, ary nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra; kanefa izany mofo izany tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Dia nomen’i Davida koa ireo olona niaraka taminy.
Malagasy Bible 1865
fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe* izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, kanefa io mofo io dia mahadiso raha misy homana azy, afa-tsy ny mpisorona; ary nomeny koa izay nanaraka azy.
malagasy
fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?