Mark 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka dia nanesorany ny tafon’ny trano nisy an’i Jesosy ka nony efa voasokatra izany dia nampidininy avy teo ny fandriana izay nandrian’ilay malemy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany; nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy afaka nanatona an’i Jesoa ry zareo noho ny habetsahan’ny vahoaka. Ary dia ny tafon-trano, tandrifin’izay nitoeran’i Jesoa, no nanesorany; ka rehefa voasokatra, dia nampidinany ny fandriana niamparan’ilay malemy.
Malagasy Bible 1865
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka dia nanesorany ny tafon’ny trano nisy an’i Jesosy ka nony efa voasokatra izany dia nampidininy avy teo ny fandriana izay nandrian’ilay malemy.
malagasy