Mark 3:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanoradalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia niteny hoe: Manana an’i Belzeboba Izy, ary koa: Ny lohan’ny demonia no androahany ny demonia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: «Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ireo mpahay lalàna nidina avy tany Jerosalema hoe: –I Belzeboba no ao amin’ilay io ary fahefana avy amin’ny filohan’ny demony no androahany ny demony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanoradalàna* izay nidina avy tany Jerosalema dia niteny hoe: Manana an’i Belzeboba Izy, ary koa: Ny lohan’ny demonia* no androahany ny demonia.
malagasy
Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.