Mark 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niala teo Jesosy mbamin’ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina. Nisy olona marobe avy tany Galilia nanaraka Azy, ary nisy olona marobe koa avy tany Jodia,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niala teo i Jesoa sy ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa i Jesoa nihataka teny amoron’ny farihin’i Galilea niaraka tamin’ny mpianany. Vahoaka maro no nanaraka Azy avy ao Galilea; toy izany koa ny avy any Jodea
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niala teo Jesosy mbamin’ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina. Nisy olona marobe avy tany Galilia nanaraka Azy, ary nisy olona marobe koa avy tany Jodia*,
malagasy
Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia