Mark 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy ka voatery niditra tao amin’ny sambokely iray teo amin’ny ranomasina Izy ka nipetraka tao; ary ny vahoaka rehetra dia teo an-tanety, teo amoron’ny ranomasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray Izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampianatra teo moron’ny farihin’i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron’ny farihy.
Malagasy Bible 1865
Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampianatra teo amoron’ny ranomasina indray Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy ka voatery niditra tao amin’ny sambokely iray teo amin’ny ranomasina Izy ka nipetraka tao; ary ny vahoaka rehetra dia teo an-tanety, teo amoron’ny ranomasina.
malagasy