Mark 4:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa Izy tamin’izy ireo: Moa entina va ny jiro mba hosaronana ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ny farafara? Tsy hatao eo amin’ny fitoeran-jiro va izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy koa Izy taminy: «Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ambanin’ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy koa i Jesoa tamin’ireo mpomba Azy sy tamin’ny 12 lahy: –Inona moa no angalana ny jiro, ny hametrahana azy ao ambany vata famarana na ao ambany farafara ve sa ny hametrahana azy eo ambony fitoeran-jiro?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa Izy tamin’izy ireo: Moa entina va ny jiro mba hosaronana ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ny farafara? Tsy hatao eo amin’ny fitoeran-jiro va izy?
malagasy
Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[Gr. avy]