Mark 4:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an’i Jesoa tamin’ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa nampodin’ny mpianany ny vahoaka dia noentiny tamin’izao tamin’ilay sambokely izay efa nisy azy teo ihany Jesosy. Nisy sambokely hafa koa niaraka taminy.
malagasy
Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.