Mark 5:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia neken’i Jesosy izany. Ary ny fanahy maloto, rehefa niala tamin’ilay lehilahy, dia niditra tao anatin’ireo kisoa; ary ilay andian-kisoa, izay tokony ho roa arivo ny isany, dia nitratrevatreva teny amin’ny hantsana nankany amin’ny ranomasina ka maty sempotra tany anatin’ny ranomasina ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao amin’ny ranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Neken’i Jesoa ny fangatahany. Koa dia niala tamin-dralehilahy ireo fanahy maloto ka lasa niditra tao amin’ny kisoa. Ary nirifatra ny andian-kisoa, tokony ho kisoa roa arivo, ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao.
Malagasy Bible 1865
Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia neken’i Jesosy izany. Ary ny fanahy maloto, rehefa niala tamin’ilay lehilahy, dia niditra tao anatin’ireo kisoa; ary ilay andian-kisoa, izay tokony ho roa arivo ny isany, dia nitratrevatreva teny amin’ny hantsana nankany amin’ny ranomasina ka maty sempotra tany anatin’ny ranomasina ireo.
malagasy
Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin'ny ranomasina izy.[Gr. kenda]