Mark 5:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa efa nafatotra matetika tamin’ny rojo vy, na ny tanany, na ny tongony; nefa notapahiny ny rojo vy tamin’ny tanany, ary ny rojo vy tamin’ny tongony dia notorotoroiny ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Matetika tokoa manko dia nasiana gadra ny tongony sady nofatorana rojo vy ny tanany; fa ny rojo vy notapahiny, ary ny gadra nopotehiny, ka dia tsy nisy olona nahafolaka an-dralehilahy.
Malagasy Bible 1865
Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.