Mark 5:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady niantso tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Ianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Mangataka Aminao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza mampijaly ahy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy,»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary niantsoantso ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: –Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra avo indrindra? Miangavy Anao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza dia ampijalîna re!
Malagasy Bible 1865
sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady niantso tamin’ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Ianao, ry Jesosy, Zanak’Andriamanitra Avo Indrindra ô? Mangataka Aminao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza mampijaly ahy!
malagasy
sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,