Mark 6:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahare izany i Heroda mpanjaka, satria efa nalaza ny anaran’i Jesosy, dia hoy izy hoe: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanao izao asa lehibe izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan’i Jesoa; fa hoy ny olona sasany: –I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.
Malagasy Bible 1865
Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.