Mark 6:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Heroda tenany no nandefa iraka hisambotra an’i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny, satria nalainy ho vady izy io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tenan’i Herôda mihitsy manko no naniraka olona hisambotra an’i Jôhany, ary nampigadra azy tao am-ponja. Ny antony dia ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahiny, nefa nalain’i Herôda ho vady.
Malagasy Bible 1865
Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Heroda tenany no nandefa iraka hisambotra an’i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny, satria nalainy ho vady izy io.
malagasy
Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.