Mark 6:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa tonga ny Sabata dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy. Ary maro izay nihaino Azy no talanjona indrindra ka niteny hoe: Taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ny tanany izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe: «Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga i Jesoa; dia talanjona ireo olona maro nihaino Azy ka vaky vava hoe: –Avy taiza re no nahazoan’ilay io izany zavatra izany? Ary ahoana izato fahendrena nomena azy sy ireto asa mahagaga vitany?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa tonga ny Sabata dia nampianatra tao amin’ny sinagoga Izy. Ary maro izay nihaino Azy no talanjona indrindra ka niteny hoe: Taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ny tanany izao?
malagasy