Mark 6:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Heroda dia natahotra an’i Jaona satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy ka narovany. Rehefa nihaino an’i Jaona izy dia very hevitra be ihany; kanefa nihaino azy tamin’ny hafaliana koa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natahotra an’i Jôhany i Herôda satria hitany fa lehilahy mandala ny rariny sady masim-pitondrantena i Jôhany ka narovany. Isaky ny nihaino azy i Herôda, dia sahiran-tsaina mafy, nefa dia nahafinaritra azy ny nihaino azy.
Malagasy Bible 1865
Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Heroda dia natahotra an’i Jaona satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy ka narovany. Rehefa nihaino an’i Jaona izy dia very hevitra be ihany; kanefa nihaino azy tamin’ny hafaliana koa izy.
malagasy
Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.[Na: nanao zavatra maro]