Mark 6:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nanatrika nisakafo teo dia tsy sahy nandà azy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalahelo fatratra ny mpanjaka, saingy noho ilay fianianana efa nataony ary noho ireo olona niara-nisakafo taminy, dia tsy te handà ny fangatahan-drazazavavy izy.
Malagasy Bible 1865
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nanatrika nisakafo teo dia tsy sahy nandà azy izy.
malagasy
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.