Mark 6:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony nahita azy ireo nandeha ny olona, ary betsaka no efa nahafantatra azy ireo, dia nihazakazaka nandeha an-tongotra avy tany amin’ny tanàna tsirairay ka tonga talohany tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’ny olona fa niainga ry zareo ary maro no nahalala ny toerana halehany; dia nirohotra nandeha an-tongotra avy tany amin’ny tanàna rehetra ny olona, ka tonga talohany teo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony nahita azy ireo nandeha ny olona, ary betsaka no efa nahafantatra azy ireo, dia nihazakazaka nandeha an-tongotra avy tany amin’ny tanàna tsirairay ka tonga talohany tany.
malagasy
Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.[Na: nandeha tongotra]