Mark 6:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niala ny sambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka ka onena azy ireo satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; ary nampianatra zavatra maro azy ireo Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka maro; ka onena azy ireo ny fony satria tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ireo, ary dia zavatra maro no nampianariny azy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niala ny sambokely Jesosy dia nahita vahoaka betsaka ka onena azy ireo satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; ary nampianatra zavatra maro azy ireo Izy.
malagasy
Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.