Mark 6:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa voarain’i Jesosy ireo mofo dimy sy ireo hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ireo mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony amin’ny olona; ary ny hazandrano roa dia nozarainy tamin’ny olona rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitso-drano. Raha efa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraisin’i Jesoa tamin’izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony amin’ny olona; ary nozarain’i Jesoa tamin’ny olon-drehetra koa ny trondro anankiroa.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa voarain’i Jesosy ireo mofo dimy sy ireo hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ireo mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony amin’ny olona; ary ny hazandrano roa dia nozarainy tamin’ny olona rehetra.
malagasy