Mark 6:48 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, satria nanohitra azy ireo ny rivotra; ary tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny aminy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erỳ fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, satria nanohitra azy ireo ny rivotra; ary tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny aminy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
malagasy