Mark 6:56 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tao amin’ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, ary ny olona dia nangataka hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza. Ary sitrana izay rehetra nikasika Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tany amin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa, na tanàna kely na tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin’ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian’ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na taiza na taiza no nidiran’i Jesosy, na tao amin’ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, ary ny olona dia nangataka hikasika na dia ny morontongotr’akanjony ihany aza. Ary sitrana izay rehetra nikasika Azy.
malagasy
Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.[Gr. voavonjy]