Mark 7:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana napetraka ho anareo, izay nasainareo hotandremana. Ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny fomba amam-panao ifandovanareo no anafoananareo ny tenin’Andriamanitra; ary mbola maro koa ny zavatra tahatahaka izany ataonareo.
Malagasy Bible 1865
ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana napetraka ho anareo, izay nasainareo hotandremana. Ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany koa no ataonareo.
malagasy
ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.