Mark 7:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy iray izay azom-panahy maloto ny zanany vavy kely; nandre ny Aminy izy ka tonga niankohoka teo amin’ny tongony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.
Malagasy Bible 1865
Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy iray izay azom-panahy maloto ny zanany vavy kely; nandre ny Aminy izy ka tonga niankohoka teo amin’ny tongony.
malagasy
Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.