Mark 7:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza; kanefa na dia norarany aza ireo dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namepetra ny olona teo i Jesoa tsy hitantara na amin’iza na amin’iza; kanefa arakaraka ny nameperan’i Jesoa azy no vao mainka koa nampielezany izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza; kanefa na dia norarany aza ireo dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.
malagasy
Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.