Mark 7:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha avy any an-tsena izy dia tsy misakafo raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro hafa koa izay noraisiny ka nofikiriny, dia ny manasa kaopy sy siny, mbamin’izay lovia varahina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahiny, ary ny farafara fihinanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa avy any an-tsena ry zareo, dia tsy mihinan-kanina raha tsy avy midio tsara araka ny fombam-pivavahana. Maro koa ny fanao hafa nolovany ka nifikirany, toy ny manasa ny zinga fisotroana, ny siny, ny fanaka varahina ary ny farafara fisakafoana.
Malagasy Bible 1865
Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin'izay fanaka varahina.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha avy any an-tsena izy dia tsy misakafo raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro hafa koa izay noraisiny ka nofikiriny, dia ny manasa kaopy sy siny, mbamin’izay lovia varahina.
malagasy
Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana mbamin'izay fanaka varahina.) [ Gr. sekstaria] [ ampio hoe: ary farafara]