Mark 7:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy Jesosy taminy: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: «Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa dia lavitra Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navaliny azy ireo: Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa manalavitra Ahy ny fony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Jesoa taminy: –Marina tokoa ny naminanian’i Isaià anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe:
Malagasy Bible 1865
Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy Jesosy taminy: Marina ny naminanian’Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: «Ity firenena ity dia manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa dia lavitra Ahy.
malagasy
Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.