Mark 8:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ilay mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobika moa ny sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ireo: Fito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?» «Fito,» hoy ireo taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jesoa taminy: –Ary fony Aho nanapaka ireo mofo fito haroso amin’ny vatan-dehilahy efatra arivo, harona firy no voaangonareo feno ny tapa-mofo ambiny? Hoy ny navalin’ireo hoe: –Harona fito!
Malagasy Bible 1865
Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ilay mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobika moa ny sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ireo: Fito.
malagasy
Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.